<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>O ry Jesosy Mpamonjy mahery FFPM597</title>
<lyrics>[V1]
 O, ry Jesosy Mpamonjy
 mahery !
 Izaho maniry indrindra Anao,
 Fa reraka aho ka mila ho very,
 Ny foko saronan'ny ratsy izao.
 Ry Tompo, tsilovy
 Ny lalan'ny saiko,
 Ka mba arovy
 Ny fo sy ny saiko !

[V2]
 Efa hanafotra ahy ny rano,
 Faingàna, Jesosy, vonjeonao
 re !
 Ho difotra aho, ry Tompo,
 ka tano,
 Diovy, afaho ny foko anie !
 Ry Tompo, tsilovy ..sns.

[V3]
 Efa akaikin'ny lalina aho,
 Ka mila ho voa, hilentika ao ;
 Ry Tompo malala, ny foko
 tanjaho
 Ka mba hazavao hahalala
 Anao :
 Ry Tompo, tsilovy ..sns.

[V4]
 Aiza izao Hianao, ry
 Mpamonjy,
 Ry Tokin'ny ory sy reraka ô.
 No tsy mampiseho ny herin'ny
 vonjy
 Hanafaka ahy, izay ory
 am-po ?
 Ry Tompo, tsilovy ..sns.

[V5]
 O, ry Jesosy, Izay maharara
 Ny onja namely ny sambo tarý
 Anivon'i Genesareta ho tsara
 Toneo ny onjan'ny foko atý !
 Ry Tompo, tsilovy ..sns.</lyrics>
<hymn_number>597</hymn_number>
<author>I.D. Sankey</author>
</song>